Sélectionner une page

Ny Kristianina sy ny vava

« Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan’ izany olona izany. »
Mila mitandrina isika mpivavaka mba tsy hieritreritra fa hoe masina anefa tsy mahafehy ny lela sy ny vava, ka mamitaka ny fo satria manao ny tenatsika ho hendry anefa diso lalana. Jakoba 1:26

Ny ao anatin’ny fo no mivoaka any amin’ny vava, ka raha ratsy no haloaky ny vava dia mazava fa maloto ny fo:
« Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga, Ary izay mampiely endrikendrika dia adala. » Ohabolana 10:18

Maro ny teny izay ilazan’Andriamanitra fa: Tsy olona manana ny fahendreNY ary koa ratsy eo anatrehaNY izay tsy mahafehy vava.
-Izay miambina ny vavany sy ny lelany dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana. Ohabolana 21:23
-Ny teny maro tsy ilaozan’izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry. Ohabolana 10:19…

Ary mampitandrina koa Izy fa ny avoaky ny vava dia mety hahavelona na koa hahafaty:
-Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain’ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany. Ohabolana 18:21

Izany hoe raha misy milaza fa tena hendry sy mpivavaka anefa mifosa, mitsara, manaratsy, manozona, manevateva, manalabaraka, mandainga, mandàtsa, manendrikendrika, miteniteny ratsy, manao tsinotsinona ny ray amandreny, na koa mimonomonona foana fa tsy misy finoana sy tsy maharitra… dia mamitaka ny fony ary zava-poana ny fivavahana izay hataony satria hoy ny ao amin’ny:
Isaia 59:1-3
« .. Indro, ny tànan’i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare; Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy…Fa ny tananareo dia voaloto amin’ny rà, ary ny rantsan-tananareo amin’ny heloka; ny molotrareo miteny lainga, ny lelanareo mibedibedy faharatsiana. »

Jesosy dia niteny tamin’ny fotoana tokony nitenenany, ary nahay nangina kosa tamin’ny fotoana tokony hanginany. Hoy Izy hoe :
« Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy. » Jaona 13:16. Ka isika indray ve no tsy hitandrina?

Saintsaino:
« Aza manao anao ho hendry; Matahora an’i Jehovah, ka mifadia ny ratsy. » Ohabolana 03:07

Radio

RFM - RVM

PGlmcmFtZSB3aWR0aD0iMTAwJSIgaGVpZ2h0PSIxMDAlIiBzcmM9Imh0dHBzOi8vd3d3LnlvdXR1YmUuY29tL2VtYmVkLzBaZmpSTHhkUU9VP2NjX2xvYWRfcG9saWN5PTEiIGZyYW1lYm9yZGVyPSIwIiBhbGxvd2Z1bGxzY3JlZW4+PC9pZnJhbWU+
Fikambanan'ny mpiara mamaky ny Baiboly Frantsa
Boky Firaketam-bavaka