Sélectionner une page

Firaketam-bavaka

Salama daholo ! Ho tohin’ny fitsidihina tany am-pitan-dranomasina dia indro haseho antsika ny boky vaovao mitondra ny lohateny hoe: « FIRAKETAM-BAVAKA » (Journal de prière) – 64 pejy.

👉🏾 Misy tolo-kevitra sarobidy natao ho trandrahina
👉🏾 Hery ho an’ny vavaka an-davanandro
👉🏾 Mety ho an’ny sokajin-taona rehetra.

🎁 Tsara atao fanomezana // 6.000 ariary (30.000 fmg)

📍 Azo vidiana ao amin’ny Librairie VATSY FMMB Tohotohabato Antaninarenina.

—–
Traikefa niainana, nisintonana lesona ary noraketina nandritra ny fitsidihina firenena maromaro tany Eoropa sy tany Israely.

Misaotra an’Andriamanitra lehibe, satria sarobidy loatra izay rehetra voaray, ary anisan’izany indrindra ny niainana mivantana ny momba ny FIRAKETAM-BAVAKA.

Atao ahoana moa ny hihazona izany ho an’ny tena samirery : tiana mba handray fitahiana amin’ny alalan’izay zava-tsoa niainana koa ny hafa, araka izay voalazan’ny Apostoly Paoly hoe :

“ Izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa ” (2Timoty 2.2)

“ Mandehàna ankehitriny, soraty amin’ny fàfana eo anatrehany izany. Ary soraty amin’ny taratasy, mba haharitra amin’ny andro any aoriana mandrakizay doria izany ” (Isaia 30.8)

Rakotolehibe Mamy & Seheno

Azo vidiana ao amin’ny librairie VATSY FMMB
Tohatohabato Antaninarenina

Manasa anao izahay
Mampiorina ny oloNY sy ny fiangonaNY
PGlmcmFtZSB3aWR0aD0iMTAwJSIgaGVpZ2h0PSIxMDAlIiBzcmM9Ii8vd3d3LnlvdXR1YmUuY29tL2VtYmVkL19maWFaOW84NkVBIiBmcmFtZWJvcmRlcj0iMCIgYWxsb3dmdWxsc2NyZWVuPjwvaWZyYW1lPg==