Menu - tsindrio eto

Toriteny Mana anio

Mana isan'andro
_manaapi_

SABOTSY 21 JONA

MPITSARA 11.1-28  F. 2, 5

IZAY MANETRY TENA NO ASANDRATRA

Mandositra (1-3). Jefta no heverina fa mpitsara afaka hitarika indray ny Zanak’Israely (1). Tsy neken’ireo rahalahiny anefa izany satria tsy manana zo handova izy fa zanaky ny fijangajangana (2). Naleony araka izany nandositra (3). Endrika iray amin’ny fanetrentena ny fandosirana. Ohatra amin’izany Josefa raha nosamborin’ny vadin’i Potifara mba handry aminy (Genesisy 39.12); Mosesy nandositra tany Midiana rehefa ren’i Farao ny famonoany ireo Egyptiana nampijaly ny Hebreo rahalahiny (Genesisy 39.18). Jesoa koa aza nisy fotoana nandositra rehefa nikasa hisambotra Azy ny Jiosy (Jaona 10.39). Ny Soratra Masina rahateo maniraka antsika handositra ny fijanganjangana, ny fanompoan-tsampy ary ny filan’ny tanora fanahy (1 Korintiana 6.18; 10.14; 2 Timoty 2.22).

Mametraka fepetra (4-11). Jefta ihany no niantefan’ny safidin’ireto Zanak’Israely ho mpitarika azy ireo rehefa hanafika (4-6); izany tokoa ilay hoe Andriamanitra no manome fahefana ny mpitondra (Romana 13.1). Tsy nanaiky avy hatrany anefa Jefta fa sady nampahatsiahy ny fankahalan’izy ireo azy teo aloha izy no nametraka fepetra mazava tamin’ireto loholon’i Gileada (7-11). Ilaina ny mamantatra tsara ny anton’ny fiaraha-miasa sy ny lamina mazava hanatanterahana ny asa; eto, dia ny hiady amin’ny taranak’i Amona no miandry ary Jefta no hitarika. Ny fahaiza-mandamina tsara mantsy no fiadiana mahomby indrindra (Ohabolana 23.18b).

Vonona hiatrika ady (12-28). Naniraka olona in-droa tany amin’ny mpanjakan’i Amona Jefta : nanao fihantsiana (12) hoe efa an’ny Zanak’Israely hatramin’izay ny tany (13-27). Tsy nohenoin’ny mpanjakan’i Amona ny irak’i Jefta (28). Tsy voatery hahomby avy hatrany ianao na mpitarika eken’ny maro aza.

Fampaherezana : “… iny Jesoa nohomboanareo tamin’ny hazo fijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra ho Tompo” (Asa.2.36).

Soratra masina ho an’ny herinandro

_manaapifin_

Vakiteny

_vakitenyapi_

AFAKA DAHOLO IREO HAZO LEHIBE!

Miarahaba antsika rehetra tongasoa eto indray!

Tamin’ny maraina aho dia niasa tao anaty feon’ny milina mpanapaka hazo maneno mafy dia mafy. Manapaka hazo tena lehibe tao anjaridaina ambadiky ny trano. Azo antoka fa tsy maintsy tapahina ireo hazo ireo satria tsy vitan’ny hoe avo be, angamba efa 50 taona mahery no nisiany teo, fa manana fakany mahery izy ireo sady lalina dia lalina izay mety hanimba ny fototry ny trano sy ny zavatra hafa manodidina.

Misy lesona lehibe ho antsika ao anatin’izany. Misy telo tokony hojerentsika :
– Raha tsy te-hanana olana amin’ny hazo lehibe, dia tsy maintsy karakaraina ny fakany. Aza avela hiorim-paka!.
Tsy amin’ny hazo ihany no resahiko eto, fa amin’ny toe-tsaina, ny ota, ny olana amin’ny fiainana, toy ny fankahalana, fahatezerana, fitiavam-bola, fireharehana, sy ny sisa. Aza avela hiorina ao am-po izany rehetra izany.

– Faharoa manaraka izany, raha manantona an’i Kristy ianao, nefa efa nisy hazo tafapetraka teo amin’ny fiainanao dia tsy hanapaka rantsan-kazo fotsiny Andriamanitra mba ahatsaratsara toetra antsika. Tsia ! Fa hanongotra ny fakany mihintsy. Ny fakany no tena karakarain’Andriamanitra; tsy ny ivelany ihany no tiany atao tsaratsara, fiatsarambelatsihy izany !

– Izay no zavatra fahatelo tiako resahina, ny faka no tiany karakaraina! Hoy Jesosy ao amin’ny Matio 3:10 : ‘Ary, indro, efa mipetraka eo amin’ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo ».
Araka izany ny famaky tsy miasa amin’ny rantsan-kazo na ny zavin-kazo fa amin’ny fakan-kazo. Te hiasa lalina sy hikarakara ny zavatra lalina ao am-pontsika sy ao amin’ny fiainantsika Andriamanitra. Izany no atao hoe fibebahina. Rehefa apetrak’Andriamanitra eo amin’ny faka ny famaky, dia mitondra fibebahana marina amin’ny fiainantsika izany.
Toy ilay zanak’adala, niaraka niaina tamin’ny kisoa, tamin’io fiainana nampahory azy io dia very daholo ny fananana rehetra. Nibebaka izy, nilaozany izany fiainana izany ary niverina nitodika tamin’Andriamanitra izy ary natsangan’Andriamanitra indray izy. Izany no mitranga rehefa avelantsika Andriamanitra hikarakara ny olana misy eo amin’ny fiainantsika.
Tena mora kely ny mamoaka ny milina fanapahana dia manety ny ravin-kazo mba hampatsaratsara ny hazo hanasarotsaromana ny olana misy, kanefa ny faka mitombo ihany. Araka izany Andriamanitra dia mitady olona maniry hiasan’Andriamanitra ny fiainany amin’ny fomba lalina sy mahery.
Ao amin’ny Ohabolana 20:5 dia milaza hoe : Rano lalina ny fisainana ao am-pon’ny olona; Fa izay manan-tsaina dia hanovo azy ao, » raha lazaina amin’ny fomba hafa dia hoe : fantatro fa misy zavatra lalina ao amin’ny fiainanko fa vonona hamela an’Andriamanitra hanao izay ilainy aho, hanesorana izany mba hibebahako amin’izany, mba ho olona afaka aho, hiova, ary hitombo. Izany no tadiavin’Andriamanitra. lalina ilay asa ataoNy, maharary fa maharitra izany!

Ny Tompo anie hanampy antsika Andriamanitra hitahy!

Pst Peter Mckenzie
« That’s the way I see it »
CTMI

_vakitenyapifin_

Audio Jona

 

AUDIO VAKITENY

 

ANDEFASO MANA AHO
Raha te-handray ny mana izay zarainay eto amin’ny email ianao dia tsindrio ny bokotra azafady.