Toriteny Mana anio
Mana isan'androALATSINAINY 14 SEPTAMBRA
DEOTERONOMIA 15.1-23 F. 6
NOHAFAHANA MBA HANAFAKA
Mihaino Ilay Mpanafaka (1-11). Ny fanalahidin’ny fitomboan’ny fianam-panahin’ny kristianina dia ny fankatoavana an’Andriamanitra (4-5). Tsy fahombiazana ara-bola loatra ny resaka, fa ilay fainam-piadanana miaina eo ambany fahasoavany. Ilay sahaza ampy ho an’ny anio araka ny vavaka nampianarin’ny Tompo: “omeo anay anio ny hanina sahaza anay”. Fankatoavana hamenoan’Andriamanitra ny siny hahafahantsika mifampitsimbina, ka hanjary diloilo tsy mety ritra ao amin’ny ankohonana manompo an’Andriamanitra (1 Mpanjaka 17.14), hanambinany ny hafa. Soatoavin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny fiahiana ireo mandiniky ny Tompo, koa raha Izy no mampianatra antsika hitsinjo na hanafaka azy ireny amin’izay mba nianteherany amintsika, dia ny manaiky ho an’ny Tompo no sitrany indrindra.
Manafaka ny geja (12-18). Efa nilaozan’ny vanim-potoana ny asa fanompoana olona. Na izany aza, dia hahitana taratra ny fetran’ny geja ho an’ny mpanompo no hitantsika eto. Andriamanitra te hanafaka ary nampianatra ny vahoakany hanao toa izany koa, satria efa nohafahana tamin’ny fanandevozana izy ireo. Eo imason’Andriamanitra, ny olona rehetra dia voagejan’ny fahotana. Tsy misy lalana hahafahana miala amin’izany raha tsy amin’ny alalan’ilay Jesoa Kristy ihany, Ilay Tompon’ny fitsaharana mandrakizay. ”Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon'ny ota. Fa ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva ; fa ny zanaka no mitoetra mandrakariva. Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.” (Jaona 8.34-36). Koa ho an’izay rehetra efa mahatsiaro tena fa nohafahan’i Kristy, dia mpiara-miasa Aminy, hanafaka izay mbola anaty geja ihany koa.
Ny tsara indrindra (19-23). Raha nanaiky nohafahany isika, dia mendrika tolorana izay tsara indrindra avy amintsika io Raintsika io, dia ny fontsika izany.
Vavaka: Mankasitraka Ray o! Lehibe loatra ny fitiavanao. Amena
_manaapifin_
Vakiteny
TSY RESAKA VOLO!
Miarahaba antsika rehetra tongasoa eto indray§
Mino aho fa fantantsika rehetra ny tantaran’i Samsona sy Delila. Fantatsika fa hatramin’i Samsona vao teraka dia nolazaina ny ray aman-dreniny fa hitoe-jaza ianao ary hiteraka zazalahy ary tsy hokasian-kareza ny lohany, fa ho nazirita ho an’Andriamanitra ilay zaza hatrany am-bohoka ary izy no hanomboka hamonjy ny Isiraely amin’ny tanan’ny Filistina. (mpitsara 13: 5). Izany no Voady sy fampanantenana natao tamin’ireo ray aman-drenin’i Samsona, ary izany no nahatonga an’i Samsona ho lasa Nazirita rehefa nihalehibe.
Fantantsika fa nitaona azy hanao ratsy i Delila. Te hahafantatra ny tsiambaratelon’ny heriny izy, ary tamin’ny farany dia resy i Samsona ka nilaza taminy hoe: « Raha tapahinao ny voloko, dia hiala amiko ny heriko, ka hanjary ho osa tahaka ny olona rehetra aho. » Noho izany dia notapahin’i Delila ny volony, ary tonga ny Filistina ka nahasambotra azy mora foana.
Ndao ary hazavaina tsara amintsika izany:
– Ny herin’ny Samsona dia tsy tao amin’ny volony, fa ny herin’i Samsona dia tao amin’ny voady amin’ny maha nazirita azy. Ary rehefa tapaka ny volony dia tapaka izany voady izany.
– Toy izany koa eo amin’ny fiainantsika Kristiana, rehefa nateraka indray isika, dia miditra ao anatin’izany fanekena izany, miditra ao anatin’izany voady izany, dia ny fifandraisanao amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Maro be anefa ireo fankam-panahy eo amin’ny fiainantsika, maro be ihany koa ny fitsapana eo amin’ny fiainantsika ary indraindray isika lavo, manao fahadisoana, manao zavatra tena hanenenana ary mibebaka avy eo. Fantatsika fa Andriamanitra dia mamela heloka antsika. Fa ao anatin’izany zavatra rehetra izany dia miangavy anao mafy aho:
– « tano mafy izany voady izany »
– « tano mafy izany fanekena izany »;
– « Tahirizo ho zava-dehibe ao am-ponao ny fanekena nataon’Andriamanitra taminao »;
– « Omeo lanjany ny fanekena nataonao teo anatrehan’Andriamanitra. »
Ny satana fahavalo dia hanao ny tetika rehetra azony atao mba hanapahana izany voady izany. Hanao izay rehetra azony atao izy hampiena ny lanjan’izany voady izany ao amponao ary tsy hanana hery intsony ianao. Fa rehefa fantatrao fa ny fonao dia an’Andriamanitra, ary fantatrao ny fanoloran-tena anananao ao am-ponao ho Azy; na dia lavo aza ianao sy malemy amin’ny nofo dia te hilaza aminao aho fa izany fo sy fanoloran-tenanao izany no hitondra sy hanohana anao foana hatramin’ny farany.
Vakintsika ao amin’ny hebreo 13: « Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy: «Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory»: izany no fanekena ananan’Andriamanitra amintsika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ary izany no fanekena ananantsika Aminy. Koa mety ho tapaka ny voloko, mety ho voataonan’ny filan’izao tontolo izao aho, mety ho lavo aho, mety hanota, mety hanao zavatra izay tena hanenenako aho ary mibebaka aho avy eo; saingy ao anatin’izany rehetra izany, dia ao anatin’ilay fanekena miaraka amin’Andriamanitra aho, ary izany no hihazona ny foko mandra-pahatongan’ny mandrakizay.
Ny TOMPO anie hanampy antsika.
Andriamanitra hitahy !
Pst Peter Mckenzie
« That’s the way I see it »
CTMI
_vakitenyapifin_
Audio Septambra
AUDIO VAKITENY